Tetiandro : Iray volan’ny STK Fjkm Amboniloha Jerosalemako

Iray volan'ny STK
Iray volan’ny STK

Feno dia feno ny fandaharan’asan’ireo zanatsika ao amin’ny STK amin’ity volana natokan’ny fitandremana ho azy ireo ity. Hita ao daholo na ny rindra-kira iarahana amin’ireo sampana namana, na ny fandraisan’anjaran’ireo mpihira tena efa matihanina. Tsy adino ihany koa, ny fitaizana amin’ireo famelabelaran-kevitra atao amin’ny faran’ny volana.

Ianao sisa andrasana, ho anao no namoronana ireto :

  • Alahady 05 Jona 2016, amin’ny 2 ora tolakandro :
    • Antsan-kira iarahana amin’ireo sampana velona rehetra eto amin’ny fitandremana
  • Alahady 19 Jona 2016, amin’ny 2 ora tolakandro :
    • LOKOM-PIDERANA V (Antsam-panahy)
  • Zoma 24 Jona 2016, amin’ny 7 ora hariva :
    • Rindra-kira iarahana amin’ny SOLIKA ao amin’ny Ankany Sedera (15.000Ar no fandraisana anjara)
  • Asabotsy 25 Jona 2016, amin’ny 6 hariva ka hatramin’ny 10 ora alina :
    • Takariva ho an’ny rehetra, « animation » + tsakitsaky isan-karazany
  • Alahady 26 Jona 2016, amin’ny 3 ora tolakandro :
    • Rindra-kira iarahana amin’ny ANTSA AN’I KRISTY  (3.000Ar no fandraisana anjara)
  • ALAKAMISY 30 Jona 2016, amin’ny 6 ora sy sasany hariva ka hatramin’ny 8 ora alina :
    • Famelabelara-kevitra : « Tanora sy ny Tambazotra Sosialy »
  • Zoma 01 Jolay 2016, amin’ny 6 ora sy sasany hariva ka hatramin’ny 8 ora alina :
    • Famelabelara-kevitra : « Fanambadiana »

Amboary ny fotoanao, tongava dia ento koa ny namana rehetra.

 

Auteur de l’article : AnjGab