Sampana Fifohazana (SAFIF)

Tantara fohy

Tany amin’ny taona 70 tany dia efa nisy mpiandry iray teto amin’ny fiangonana Amboniloha.
Nisy fiaraha-mivavaka tsindraindray ihany, nefa tsy tonga tamin’ny fitsanganan’ny sampana Fifohazana izany. Ny Aogositra 1988 dia nisy Mpiandry iray voatokana indray ka niezaka nanangana vondrom-bavaka tamin’izany. Ny volana Jolay 1989 dia tapaka teo amin’ny fivorian’ny Mpihevidraharaha fa ekena ny hitsanganan’ny Sampana fifohazana eto amin’ny FJKM Amboniloha ary mbola “Vondrom-bavaka” ihany aloha ny anarana entiny, ary nanomboka teo dia nisy tsikelikely ny asa sy fampaherezana izay niarahana tamin’ireo Mpiandry tety amin’ny manodidina.
Hankalaza ny faha 25 taonany ny sampana amin’ny 2014 raha sitrapon’Andriamanitra.

Ny Birao

  • Rtoa RASOANAIVO Bakoly (Filoha)
  • Rtoa RIVOARINTSOA Bien-Aimée (Filoha mpanampy)
  • Atoa LIVA Ephraïm (Mpitantsoratra)
  • Rtoa RAJAONARIVONY Saholy (Mpitahiry vola)
  • Rtoa RAFANOMEZANTSOA Bodo (Mpitantsoratry ny vola)
  • Rtoa RASOARIVELO Honorine (Mpanolotsaina)
  • Rtoa RAMANGASEHENO (Mpanolotsaina)

Antompisiany

  • Mitory sy mampiely ny Filazantsara any amin’ireo tany mbola “maizina”
  • Mandroaka sy mandrava ny demonia sy ny asany
  • Mampahery ny olona amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana

Zana-kendrena amin’ity taona ity

Fiarahana mandeha any amin’ny toby Ibora Antsohihy

Tafika Masina any amin’ny Synodamparitany Mandritsara

Fifandraisana

  • 033 12 088 42 (Filoha)

Araho antsary

Auteur de l’article : AnjGab