Sampana Sekoly Alahady (SA)


1. Ny niandohany



Tamin’ny Alahady 6 Septambra 1874 no niorina ny Sekoly Alahady tao Ambohijatovo (Sekoly F.F.M.A. na Ambohijatovo Atsimo taloha, Vohipiraisana ankehitriny).

Mr Kington, lehiben’ny Trano printy F.F.M.A. tao Faravohitra no nanorina azy. Ireto kosa ny Misionera nanampy azy tao :

  • Ny lehilahy : Mr J. S. Swell, Mr J. C. Thorne, Mr S. Clemes
  • Ny vehivavy : Mme Kington, Mme Wills, Mme Johnson, Mlle Dawson, Mlle Sewell
  • Ny Malagasy : Rainizafimanga, Frank Rasoamanana, Ramaroson, Rasoamanana, Ramamonjy, Ramahandry, Ramanisa

Tatý aoriana, dia nisy tamin’ireo mpianatra voalohany no nanampy ny mpampianatra :

  • Rambelo, Rainiketamanga, Razafindrasoa, Raketamanga, Rangita

Isaky ny Alahady hariva, amin’ny 3 ka hatramin’ny 4 ora ny fianarana. Tanora sy ankizy avy amin’ireo Fiangonana teto Antananarivo no nianatra tao. Nahatratra hatramin’ny 400 ny isany tany am-boalohany.


2. Ny nielezany



Anisan’ny zava-dehibe mendrika ny ho tsarovan’ny Fiangonana ny nataon’i Révérend Thomas Trotter Mattheus, izay Misionera niasa teto nandritra ny 29 taona : 1870 – 1899.

Rehefa voatendry ho Misionera hitondra an’Ambatonakanga izy, dia nanorina ny Sekoly Alahady tao tamin’ny 1 Oktobra 1882. Io no Sekoly Alahadim-piangonana voalohany teto.

Nahita izany ny Fiangonana teto Antananarivo ka samy nanorina Sekoly Alahady avokoa, araka izao manaraka izao :

> Amparibe 14 Janoary 1883
> Ampamarinana 11 Febroary 1883
> Ambohipotsy 19 Desambra 1883
> Faravohitra 20 Janoary 1884
> Analakely 4 Septambra 1884
> Ambodinandohalo 22 Septambra 1885
> Ambohitantely 13 Desambra 1885
> Anati-Rova 14 Septambra 1886

Ary dia nihitatra ivelan’Antananarivo izany ka tonga hatrany ambanivohitra.


3. Ary mba nanao ahoana ny teto Amboniloha ?



a. Tamin’ny andron-dRainiketakandriana sy Rainizafimahatratra (1875 – 1904)

Tsy misy azo ambara ny tamin’io vanim-potoana io satria tsy nahitana boky na taratasy mikasika ny Sekoly Alahady.


b. Tamin’ny andron-dRainiharivelo (1906 – 1915)

Tao amin’ny tahirin-tsorany no nahitàna an’izao :


Alahady 13 Septambra

Nihevitra ny momba ny Sekoly Alahady

Alahady 20 Septambra

Nanomboka ny Sekoly Alahady hariva

Tsy fantatra na fanombohana na fanohizana ny efa nisy ny ambaran’ireo daty ireo. Ny mahafaly aloha dia efa mba misy daty ahalalàna ny fisian’ny Sekoly Alahady teto Amboniloha ireo daty ireo.


d. Tamin’ny andron’Andriamboavonjy Michaël (1916 – 1928)

Hatreo amin’ny taona 1916, dia tonga tety Amboniloha ny Misionera niaraka tamin’ny Evanjelistra hanadina ny mpianatra Sekoly Alahady sy hizara loka.

Indray mandeha isan-taona no nisian’izany ka teto Amboniloha no novoriana ny mpianatra Sekoly Alahady tao amin’ny Fiangonana efa-trano : Amboniloha, Ivandry, Ambohijatovo ary Isoavimasoandro.

Tamin’ny taona 1917 dia noraisin’ny Fiangonana an-tànana ny fizaran-dokan’ny Sekoly Alahady : vehivavy lehibe no nifandimby nitsangana nanao tsianjery.

Tsy nisy fisokajiana ny mpianatra na ara-taona, na ara-pahaizana, fa niharo tao daholo rehefa mety ho mpianatra Sekoly Alahady, na olon-dehibe na tanora na ankizy. Hita fa nivaona tamin’ny tanjona nokendrena izany, dia tsy inona fa ny hanabe sy hanolokolo ny ankizy izay taniketsan’ny Fiangonana.

Niezaka nandamina ny Sekoly Alahady Andriamboavonjy. Ny nataony voalohany dia ny famolavolana tanora mba ho tonga mpampianatra Sekoly Alahady hanampy azy, indrindra amin’ny fampianarana ny ankizy. Rehefa hitany fa afaka handray andraikitra ireo tanora ireo dia nosokajiany telo.

Tsy dia araka ny fahaizany loatra akory fa araka ny taonany kosa. Ny lehibe indrindra nataony hoe “Cours supérieur”. “Cours moyen” ny manaraka ireo. Ary ny zandriny indrindra tao amin’ny “Cours élémentaire”.

Marihina fa Andriamboavonjy Michaël no Mpitandrina voalohany nivoaka avy tao amin’ny Kolejy tao Ambohipotsy, nitondra ny Fiangonana Amboniloha. Talohan’ny nidirany tao amin’ny Kolejy dia efa mpampianatra tao amin’ny Sekoly Anglikana Andriamboavonjy. Tsy vaovao taminy ny asa fampianarana ka hita ho nivoatra niandàlana teny ny Sekoly Alahady nandritra ny 12 taona nitondrany ny Fiangonana Amboniloha.


e. Tamin’ny andron-dRakotonanahary Charles (1930 – 1939)


Nanohy ny asa fanarenana sy fandaminana efa natombok’Andriamboavonjy Michaël i Rakotonanahary Charles. Tamin’ny androny dia tsy nisy intsony ny olon-dehibe nianatra Sekoly Alahady. Ny ankizy kosa no nihamaro. Noho izany, dia nampian-dRakotonanahary ireo kilasy 3 teo aloha. Nosokafany koa ny “Cours préparatoire”.


f. Tamin’ny andron-dRakotovao Charles (1942 – 1950)


Nijanona ho kilasy 4 ny Sekoly Alahady nandritra ny fotoana nitandreman-dRakotovao Charles ny Fiangonana Amboniloha. Tsiahivina fa tamin’izany fotoana izany dia nianjady tamin’ny olona ny tsi-fisiana vokatry ny Ady Lehibe faharoa (1939 – 1945). Na dia izay hotafiana aza dia nanahirana ny maro. Nihavitsy ny mpiangona, indrindra fa ny ankizy.

Ny Sekoly Asabotsy no niezahan-dRakotovao nampandrosoina. Io no “Sekoly Alahadin’ny zana-bahoaka” hoy izy satria na dia ny akanjo fitena andavanandro aza dia azo entina any am-piangonana amin’ny andro Asabotsy. Na izany aza anefa dia tsy nataon-dRakotovao Charles ho ambanin-javatra ny Sekoly Alahady.

Teo amin’ny fanompoam-pivavahana ny Alahady hariva dia tsy nasiany toriteny fa nosoloiny fanazavana ny lesona Sekoly Alahady “Cours supérieur”.


g. Tamin’ny andron-dRatsimba Edouard (1952 – 1990)


Nandritra io vanim-potoana io dia azo lazaina fa tafarina ary tafapetraka eo amin’ny toerana tokony hisy azy ny Sekoly Alahady. Hita tao hatramin’ny kilasin’ny madinika indrindra (Classe maternelle) ka hatramin’ny kilasy ambony indrindra (Second degré). Ny mpianatra rehetra dia afaka nianatra tao amin’izay kilasy sahaza ny fahaizany avy.

Nisy aza fotoana nahitana ny kilasin’ny “Essay” izay kilasy ambonin’ny “Second degré”. Nisy mpianatra tao amin’io kilasy io izay nahazo diplaoma. Ny mampalahelo anefa dia ny tsy nitohizany tatý aoriana noho ny tsy fisian’ny mpianatra.

Dia toy izay raha fintinina ny tantaran’ny Sekoly Alahadin’Amboniloha.


4. Fandaminana ny fampianarana



  • Tamin’ny andron’Andriamboavonjy Michaël sy Rakotonanahary Charles dia nisy ray aman-dreny nofidian’ny Fiangonana ho Tonia hanara-maso ny fampianarana Sekoly Alahady.

    Toy izany koa tamin’ny andron-dRatsimba Edouard, saingy ny Firaisan’ny Mpitandrina sy ny Mpampianatra Sekoly Alahady no nifidy azy


  • Tamin’ny andron-dRatsimba Edouard dia nisy Loholona iray ary Diakona iray natao hoe “Ray aman-drenin’ny Sekoly Alahady” ka ny andraikiny dia ny manatrika ny fampianarana Sekoly Alahady, mitety ny isan-kilasy, manara-maso ny mpianatra sy ny fampianarana. Ny Fiangonana no nifidy azy ireo.


5. Fanadinana Sekoly Alahady



  • Isan-taona dia mampanao fanadinana ny Sekoly Alahady ny Fiangonana. Rehefa mifarana ny taom-pianarana dia misy fizaran-doka. Ny fiangonana dia manokana vola ho enti-manatanteraka ny fizaran-doka.

    Tamin’ny andron-dRatsimba Edouard, ny rakitra Batisa dia nanampiana ny vola hividianana ny loka ho an’ny Sekoly Alahady. Tsiahivina fa tamin’ny andron-dRakotovao Charles, ny rakitra Mariazy dia nanampiana ny vola nozaraina ho an’ny Ankohonan’ny Fiangonana isaky ny tonon-taona


  • Isan-taona, taloha, dia nisy ny natao hoe “Concours général” izay fanadinana niraisan’ny Fiangonana ao anatin’ny Distrikan’Amparibe. Diplaoma no nozaraina rehefa vita ny fanadinana

  • Isan-taona, tatý aoriana, dia mbola nisy fanadinana niraisan’ny Fiangonana ao anatin’ny Distrikan’Amparibe. Diplaoma koa no nozaraina tamin’izany, saingy ny maha-samihafa azy tamin’ilay fanadinana taloha dia ity : ilay “Concours général” dia novàna anarana hoe “Fanadinana Lehibe” ary tao amin’ny Sekoly Ambatonakanga na tao amin’ny Fiangonana Anosisoa no nanaovana azy


6. Toriteny ho an’ny ankizy



  • Hatramin’ny volana Aogositra 1918, tamin’ny andron’Andriamboavonjy, saky ny Alahady maraina, dia nisy fotoana natokana ho an’ny ankizy. Hira, vavaka, toriteny fohy no natao tamin’izany.

    Tsy nisy intsony izany tamin’ny andron-dRakotonanahary Charles sy Rakotovao Charles


  • Nisy fotoana niverenany kosa tamin’ny andron-dRatsimba Edouard, saingy tsy nisy hira sy vavaka fa avy hatrany dia ny toriteny no nizara roa. Ny tapany voalohany ho an’ny ankizy, ary ny tapany faharoa ho an’ny besinimaro.

    Ny loha-hevitra tendren’ny Perikopa ihany no anompanana ireo toriteny roa ireo, saingy ilay ho an’ny ankizy dia atao izay haha-tsotsotra sy ho mora raisina azy. Tsy mihoatra ny 5 minitra ny toriteny ho an’ny ankizy.


7. Fitsangatsanganana



Isan-taona dia misy ny fiarahan’ny Sekoly Alahady mitsangatsangana.

Tsy ny halaviran’ny haleha na ny maha-akaiky azy no zava-dehibe amin’izany fa ny fiarahan’ny ankizy mba hitomboan’ny fifankahalalany sy ny fifankatiavany.

Excursion_2013


8. Firaisan’ny Mpitandrina sy ny Mpampianatra Sekoly Alahady



Mba hisian’ny fifaneraserana tsy tapaka sy ny fiombonam-po eo amin’ny tompon’andraikitra amin’ny fanabeazana ny taranaka ara-tSoratra Masina, dia fa mety ny ananganana ny “Firaisan’ny Mpitandrina (mivady) sy ny Mpampianatra Sekoly Alahady”.

Manana fifampitondrana manokana ho azy ity “Firaisana” ity. Misy ny fotoam-pivoriana lehibe isan-taona, ka ny anaovana azy dia eo am-piandohan’ny taona vaovao. Jery todika ny taona lasa no atao amin’izany. Mifandimby milaza ny momba ny kilasiny avy ny Mpampianatra, toy ny isan’ny mpianatra, ny fahazotoany, ny zava-manahirana (raha misy), ny kasainy hatao amin’ny taona manaraka mba hampandroso bebe kokoa ny fampianarana.

Arahina fifanakalozan-kevitra ireny tatitra rehetra ireny ka avy amin’izany no andrafetana ny fomba ho enti-miasa amin’ny ho avy. Saiky mandrakariva dia fiaraha-mitsangatsangana sy fiaraha-misakafo no atao mandritra io fivoriana amin’ny fiandohan’ny taona io, ka eny amin’ny toerana aleha no anaovana ny dinidinika.


9. Famintinana



Anisan’ny sampana zokiny indrindra ny Sekoly Alahady, satria tany amin’ny taona 1908 no niorenany, izany hoe 105 taona izany izao no niorenany.
Misy mpianatra miisa 400 eo ho eo ankehitriny, ary sahanin’ny mpampianatra 70.


10. Ny Birao


Filoha LIVA Harintsoa Violette
Filoha mpanampy RABESON Hery Andriantoky
Mpitantsoratra PV RASOAMANGA Germaine
Mpitantsoratry ny vola ANDRIAMASINDRAZANA Andrianony
Mpitahiry vola ANDRIAMAMPIANINA Haja
Mpanolotsaina RASOLOHARIJAO Seheno Sydonie
RABEMANANTSOA Fidilalaina


11. Sary tahiry



Aseho eto ambany ireo sary fahatsiarovana ahitana ny karazana kilasy Sekoly Alahady tamin’ny taona 2013 :


Kilasy 1


Kilasy_1a_2013
Kilasy_1b_2013


Kilasy 2


Kilasy_2_2013


Kilasy 3


Kilasy_3a_2013
Kilasy_3b_2013


Kilasy 4


Kilasy_4a_2013
Kilasy_4b_2013
Kilasy_4d_2013
Kilasy_4e_2013


Kilasy 5


Kilasy_5_2013


Kilasy 6


Kilasy_6_2013


Kilasy 9


Kilasy_9_2013


Kilasy 10


Kilasy_10_2013

Auteur de l’article : AnjGab