PERIKOPA FJKM ALAHADY 15 FEBROARY 2014

MAMPITOMBO NY FINOANTSIKA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

Nehemia 8 : 1-8 / Lioka 10 : 38-42 / 1 Tesaloniana 2 : 13-16

Nehemia 8 : 1-8

1 Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ny lalan’i Mosesy izay nandidian’i Jehovah ny Isiraely.
2 Dia nentin’i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafito ho eo anatrehan’ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’izay rehetra efa mahahaino.
3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan’ny vavahadin-drano izy hatramin’ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ny andro, dia teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ny lalàna.
4 Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin’ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.
5 Dia nosokafan’i Ezra teo imason’ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.
6 Ary Ezra nisaotra an’i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jehovah.
7 Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’izay nitoerany ihany.
8 Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina.

Lioka 10 : 38-42

38 Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra teo amin’ny vohitra anankiray Jesosy; ary nisy vehivavy anankiray atao hoe Marta nampiantrano Azy ho ao an-tranony.
39 Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
40 Fa Marta sahirana tamin’ny fanompoana be; dia avy izy ka nanao hoe: Tompoko, moa tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? koa mba asaovy manampy ahy izy.
41 Fa ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe: Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao;
42 nefa zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy.

1 Tesaloniana 2 : 13-16

13 Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa anatinareo izay mino koa.
14 Fa ianareo, ry rahalahy, dia efa tahaka ny fiangonan’Andriamanitra any Jodia izay amin’i Kristy Jesosy; fa ny nanjo anareo noho ny nataon’ny iray firenena aminareo dia sahafa amin’ny nanjo ireo koa noho ny nataon’ny Jiosy taminy,
15 izay namono an’i Jesosy Tompo sy ny mpaminany koa ary nandroaka anay sady tsy manao ny sitrapon’Andriamanitra ary manohitra ny olona rehetra,
16 ka mandrara anay tsy hitory amin’ny jentilisa mba tsy hamonjena ireny, mba hameno ny fahotan’ny tenany mandrakariva; kanjo efa niharan’ny fahatezerana hatramin’ny farany izy.

Auteur de l’article : AnjGab