PERIKOPA FJKM ALAHADY 05 OKTOBRA 2014

I Samoela 1:9-20

9 Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin’ny sezany teo anilan’ny tolam-baravaran’ny tempolin’i Jehovah.
10 Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin’i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
11 Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon’ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’i Jehovah kosa izy amin’ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.

12 Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan’i Jehovah izy, dia nodinihin’i Ely ny vavany.
13 Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon’i Ely fa mamo izy.
14 Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15 Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan’i Jehovah aho.
16 Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben’ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
17 Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen’Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
18 Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an’i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
20 Ary tamin’ny fahatanterahan’ny andro dia nanan’anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin’i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin’Andriamanitra (?)]

Matio 10:21-23

21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy.
22 Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.
23 Ary raha manenjika anareo amin’ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan’ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan’ny Zanak’olona.

Hebreo 10:32-39

32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin’ny fahoriana, rehefa nohazavaina ianareo;
33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana ianareo, ary indraindray koa raha tonga naman’izay azon’izany.
34 Fa sady niara-niaritra tamin’izay nifatotra ianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa ianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra*. [* Na: fa ianareo dia manana ny tenanareo ho fananana tsara lavitra sady maharitra]
35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe.
36 Fa tokony hanana faharetana ianareo raha hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.
37 Fa “rehefa afaka kelikely, Dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra”
38 Ary “ny oloko marina* dia ho velon’ny finoana;” Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2.3, 4). [* (ny marina)]
39 Fa isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.

Post Author: AnjGab