Ny tanjona kendren’ny Tafika Masina

Tsy asa mandeha ho azy, na fandaniam-bola sy hery ary fotoana akory ny fitoriana, fa misy tanjona kendrena. Amin’ny ankapobeny dia miompana amin’ny famonjena ny olona sy ny fanjakan’Andriamanitra ary ny fitomboan’ny fangonana izany tanjona izany:

1. Tanjona lehibe ny handrenesan’ny rehetra ny filazantsara sy famonjena ny olona tsirairay. Fanirin’Andriamanitra ny handraisan’ny olombelona rehetra, ny famonjena notanterahin’I Jesoa teo ambony hazo fijaliana. Jesoa raha teo dia nilaza fa “Izao no sitrapon’izay naniraka Ahy, di any tsy hamelako hisy ho very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ny andro farany izy”.(Jao 6:39). Tsy hisy olona hahalala sy hanaiky an’ni Jesoa ho Mpamonjy anefa, raha tsy misy ny olona history aminy. Noho izany, dia mitory ny fiangonana ary ny tanjona kendreny di any handrenesan’ny rehetra ny filazantsara. Tsy hiato amin’ny asa izany izy, raha tsy efa tapitra nandre ny olona rehetra, nakoa tong any fahataperan’izao tontolo izao.
Ny mpandinika iray dia nanambara hoe: “Misy zava-kendreny roa ny asa misiona di any hotonga hatrany amin’ny faran’ny tany sy mandra-pahatonga ny andro farany”(NILES D. 1962:180).
Manamafy izany hevitra izany koa ny voasoratra ao amin’ny boky iray hoe: “Ny finoana kristiana dia mihevitra fa ny taranaka rehetra eto ambonin’ny tany dia tafiditra ao anatin’ny drafitr’Andriamanitra, na koa, ny Testamenta vaovao dia milaza fa ny fanjakan’Andriamanitra tonga tao amin’I Jesoa Kristy, dia natao ho an’ny manana aina rehetra” (D. BOSCH 1995:20)
Marihana anefa, fa tsy nanome toky Andriamanitra, fa ho resy lahatry ny filazantsara avokoa, ny olona rehetra (L. FORD 1969:40-42). Ny anjaran’ny fiangonana kosa di any manambara ny hafatra nanirahana azy. Izany tanjona izany moa, dia tsy hevitra avy amin’ny fiangonana,fa fankatoavana kosa ny baikon’I Kristy hoe: “mandehan any amin’nizao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (jao.15 16)
Ny famonjena izao tontolo izao anefa, dia midika fa ny olona tsirairay mihitsy no nokendren’Andriamanitra amin’izany. Raha vao potraky ny fahotana ny olona, di any hamonjy azy sahady no fandaharan’Andriamanitra. Izany raha teo no antony nanirahany an’I Jesoa, izay niteny hoe: “fa efa tong any zanak’olona hitady sy hamonjy ny very” (LIO. 19/10). Ny tsirairay izay very mihintsy no tian’ny Tompo hotolorana famonjena amin’izany (Mat. 18:12). Hoy ny teny izay voarakitra amin’ ny boky iray hoe: “ny fitoriana ny filazantsara dia fanasana ny olona ho ao amin’I Jesoa, fiantsoana ny tsirairay ho tonga mpianatra, sy hanompo eo anivon’ny samy mpianatra” (M. AUGSBURGER et P. WIDMER 1986:21). Mitory ny filazantsra no asan’ny fianagonana fa Jesoa irery no Mpamonjy ny olona.Famonjena ny tsirairay izany no tanjona ary izany famonjena izany, dia mahasahana lafiny maro: Famonjena ami’ny tsy fahalalana (Hos 4:6), amin’ny gejan’ny satana (Mat. 10:8), amin’ny fahotana mitondra ho amin’ny fahafatesana…Ny maha olona manontolo no hitondrana famonjena ary manomboka eto an-tany izany ka mitohy hatrany an-danitra.

2. Tanjon’ny fitoriana ihany koa ny fanjakan’Andriamanitra, izay ivon’ny toriteny nataon’I Jesoa. Hoy indrindra ny fanambarana nataony: “Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” (Mat. 4:17,23). Zava-dehibe izany fahatanaterahan’ny fanjakan’Andriamanitra izany, ary izay no mahatonga ny filazantsara efatra hanome anjara toerana azy.
Miverimberina matetika ao amin’ny filazantsara ny teny hoe: Fanjakana. Raha ny Soratra Masina no jerena dia roa no endrika isehoany ao amin’ny Testamenta Vaovao: Ny voalohany diany FANJAKAN’ANDRIAMANITRA, izay efa tanteraka ankehitriny. Hita izany amin’ny fahasitranan’ny aretina, ny fandroahana demonia, ary ny fitsanganan’ny maty (Mat 4 :23; 9:35; Lio. 11:20; Jao. 11:44). Ny faharoa dia fanjakan’nAndriamanitra mbola andrasana amin’ny hoavy, izay ho tanteraka amin’ny fiverenan’I Jesoa Kristy (Mat. 25:35; Lio. 13:28; IKor15:24-26).
Araka izany ny fanjakan’Andriamanitra, dia zavatra efa tanteraka ankehitriny, kanefa koa mbola andrasana amin’ny hoavy. Manjaka tanteraka ao amin’izany fanjakana izany Andriamanitra. Fanjakana tsy mitovy velively amin’ny fanjakana eto amin’izao tontolo izao (Jao. 18: 33-38).

Tanjona kendrena amin’ny fitoriana ary ny fanjakan’Andriamanitra, satria Jesoa tenany aza nanao izany ho fototry ny toriteny. Mitory nyy fiangonana, satria ny fanjakan’Andriamanitra, dia natao ho an’izay rehetra nadre ny filazantsara, ka niova fo sy nateraka indray. Hoy ny tenin’I Jesoa manambara hoe: “Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’nAndriamanitra”. (Jao. 3:3)

3. Tanjona kendrena amin’ny fitoriana ny filazantsara koa ny fampitomboana ny fiangonana. Mety hahasahana lafin-javatra maro izany fitomboana, ka voakasik’izany ireto tanisaina manaraka ireto: ho tsar any fiainam-panahin’ny mpino, izany hoe: ho olona resy lahatry ny filazantsara tokoa izy ireo, ka nandray an’I Jesoa ho Tompo sy mpamonjiny. Ho tsar any fampianarana eo anivon’ny fiangonana, hirindra tsar any fandaharam-potoana, mazoto mivavaka ny olona, ary manjaka ny fifankatiavana sy ny fiombonana. Ilaina koa anefa ny fampitomboana ny isan’ ny fiangonana. Tokony ho hita taratra izany eo amin’ny fitomboan’ny isan’ny mpino kristiana sy fampitomboana is any mpitory filazantsara; ary fampitomboana ny isa ireo fiangonana vaovao, vao novolena.
Eo amin’ny sehatr’ity fampitombohana fiangonana ity V. GERBER, dia milaza fa: “Tsy tratra ny tanjona kedrena amin’ny fitoriana ny filazantsara, raha tsy efa kristiana mpitondra olon-kafa ireo vao avy niova fo”. Izany no miantoka ny fitohizan’ny fitoriana ny filazantsara sy ny fitomboan’ny fiangonana.
Ny tanjona faran’ny fitoriana ny filazantsara ao amin’ny Testamenta Vaovao dia misy roa:
• Fanefena ny Kristiana ho mahatoky ka afaka maitaona mpianatra hafa.
• Fiangonana mahatoky ka afaka manorina fiangonana.

Raha hanao asa fitoriana ary ny fiangonana, dia tokony hibanjina ireo tanjona ireo hatrany, ny asa tontosainy. Tandremana anefa tsy ho diso fijery ka hieritreritra, fa ny ezaka ataony irery, no hahatonga ny fanjakan’Andriamanitra ary anjaran’ny fiangonana dia manaiky ho mpiasa mahery eo an-tanan’Andriamanitra. Ny fitoriana tsy misy tanjona kosa anefa dia zava-poana ihany. Kanefa, moa ve tena mifantoka amin’ireo tanjona ireo tokoa ny zava-kendren’ny fiangonana amin’ny asa ataony? Mety hisy mantsy ny alaim-panahy, mba hitady laza sy voninahitra ho an’ny fiangonany na ny tenany, amin’ny asa izay ataony. Averinay hatrany anefa fa mitory isika ho famonjena ny olona sy ny fanjakan’Andriamanitra ary ny fampitombona ny fiangonana.
Nofantarina nisesy teto ny hoe: Nahoana no mitory ny fiangonana, ary inona no votoatin’ny hafatra sy ny tanjona kendreny amin’izany? Ny fahafantarana ireo dia tsy tokony hahatafandry mandry ny fiangonana amin’ny asa anirahan’Andriamanitra azy. Miandry ny fiangonana tokoa I Jesoa Kristy amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, ary fototra lehibe sy sehatra tsara indrindra ny fiangonana tsirairay.

Post Author: AnjGab