Lovia hazon’i dadabe

Mpianakavy iray trano

Iray trano i Dadabe sy ny zanany mivady ary ny zafikeliny iray. Izy mivady moa dia sahirana miasa, ka ny sakafo hariva no fotoana mba hihaonan’ny mpianakavy.
Eo ry zareo no mitantara ny tany am-pianarana, ny tany amin’ny orinasa, sy izay rehetra nanamarika ny tontolo andron’ny tsirairay.
I Dadabe, izay efa antitra tokoa, dia tena manahirana azy mivady mihitsy. Satria miadana sy miverimberin-dava ny zavatra lazainy, efa tsy dia mahare tsara ihany koa izy ka dia mila mihorakoraka mihitsy vao mba afaka miresaka aminy. Izy nefa dia miezaka mafy miresaka sy miteny foana.

Manimba zavatra matetika i Dadabe

Ankoatra izany, voan’ny aretina antsoina hoe « Maladie de Parkinson » koa izy. Rehefa mihetsika io aretina io dia mangovingovitra be izy ary mazàna mianjera amin’ny tany avokoa ny fitaovana rehetra eo ambony latabatra.

Indray andro àry, nahita hevitra izy mivady, nanamboarany latabatra mitokana Ingahibe, ary satria vaky foana na lovia na vera omena azy, dia nanamboarany lovia hazo i Dadabe. Rehefa hariva ny andro, miara-misakafo, miresaka toa ny fanaony izy telo mianaka ; i Dadabe tsy afa-miresaka intsony satria tsy maheno moa no efa mitokana rahateo. Tsy miloa-bava izy fa ny endriny maloka no tsikaritra.

Nanamboatra lovia hazo

Indray andro, variana tao amin’ny mpandrafitra iray ilay zazalahy kely. Nanontany rainy :
– Fa inona no mahavariana an’ialahy ato ?
– Mampanamboatra lovia aho ry Dada a !
– Fa vaky indray angaha ny lovian’i Dadaben’ialahy ?
– Tsy ho azy kah, homeko anareo sy neny rehefa anitra ianareo !
– …

Ny harivan’io, niray latabatra indray ny mpianakavy, naverina niaraka tamin’ny be sy ny maro i Dadabe ary hita tena niova ny endriny, nitsiky matetika izy na dia tsy misy nify intsony aza.

Hafatra

Na inona na inona anton’ny fahaosan’ny ray aman-dreny, na inona na inona kilemany, anjarako, anjaranao ny miahy azy. Tadidio fa ny didy voalohany misy teny fikasana dia ny hoe : « Manajà ny rainao sy reninao ».
Tsy niteny ny Tompo hoe « raha tsy dia manahirana anao loatra dia karakarao ny ray sy reninao ».
Hafatra ho antsika anio ny fihirana FFPM 760 – Aza mba manadino ny ray sy reninao

Auteur de l’article : AnjGab