Andao isika hitaiza vatana

Miarahaba antsika rehetra tongasoa eto @ ribrika natokana ho an’ireo torohevitra mety ahasoa antsika.

Anombohana azy ary dia andao isika hitaiza vatana.
Ahafahantsika mitàna ny vatantsika anatin’ny fahasalamana, dia misy fahazarana valo (8) mila arahina ireto isan’andro.

1. Aorianan’ny vavaka vao mifoha dia mila isika manao « respirations » 10 ahafahan’ny vatantsika mifoha tsara, indrindra ny atidoha, izany hoe mifoka rivotra be.

2. Misotro rano iray na roa vera, avy eo mandro; satria mila rano na ny vatana ivelany na ny anatiny. Manadio ny vavony sy ny rà izany aorian’ny fialahantsasatry ny vatana.

3. Ny mitanin’andro dia ahafantsika mamatsy vitamine D maimaimpoana ho an’ny vatantsika. Tsy atao ela loatra nefa.

4. Misakafo tsara araka ny tokony ho izy: Maraina, atoandro ary hariva. Aza adino voankazo 5 sy legioma 5 isan’andro.

5. Manao fanatanjahan-tena: Manao tsemboka mihitsy mba ahafahan’ireo poizina any anaty mivoaka.

6. Ny fifehezantena: Ahenao na alaviro mihitsy ny alkola, ny sigara, ny kafe…

7. Matokia ny tenanao: Nefa tsy adino ny mametraka ny fahatokisana an’Andriamanitra aloha.

8. Ny fakàna aina: matory 6 hatramin’ny 8 ora isan’andro, ary maka aina iray andro isan-kerinandro.

dia miankina indrindra amin’izay mety fahazarantsika isan’andro. Ny fanafody dia tsy afaka hanolo izay mety ho voka-dratsin’izay mety fahazaran-dratsy.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Auteur de l’article : AnjGab